Sahirana tanteraka ara-tsakafo ireo fianakaviana miaritra haintany eto Madagasikara

Karakaina, maina ny zava-maniry, ary tsy misy antenaina ny tanim-boly any atsimon’i Madagasikara, satria efa niaritra efatra taona tsy misy orana ny faritra. Ity no haintany mafy indrindra tao anatin’ny 40 taona ary namela fianakaviana aman’hetsiny maro tao anatin’ny hanoanana tanteraka.

Ny Kere dia tranga miseho isan-taona eto, fa ny krizy ara-tsakafo ankehitriny dia nahatratra haavo mbola tsy nisy hatrizay. Manamarina ny hamafin’ny fahantrana sy ny faharetan’ny haintany eto amin’ity nosy ity ny manampahaizana manokana momban’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Soavelo *, 27 taona, reny tokan-tena manan-janaka telo – 6 taona, 3 taona ary 1 taona – dia nilaza fa nivarotra kafe sy mofo teo an-toerana izy mba hivelomana talohan’ny nahasarotra tanteraka ny fiainana. Namboly katsaka sy tsaramaso tao an-tanimboliny kely koa izy ary niompy akoho vitsivitsy natao fakana atody.

Noho ny haintany maharitra dia nihena tsikelikely ny fidiram-bolany; nangataka trosa ny mpanjifany satria tsy manana fahafahana intsony izy ireo ny hividy ny kafe sy mofo, ka najanony ny fivarotana izany satria niteraka fatiantoka hoazy. Isan-kerinandro dia namidiny ireo akoho mba namelomany ny ankohonany mandra-pahatapitr’ireo tanteraka. Vokatr’izany dia sakafo tokana isan’andro sisa no afaka nomeny ireo zanany kely.

“Tsy vao sambany aho no sendran’ny haintany,” hoy i Soavelo, nipetraka teo amin’ny tany niaraka tamin’ny zanany telo lahy, ivelan’ny tranony eny Ranonda, tanàna lavitra any atsimo andrefan’ny Madagasikara. « Fony mbola zaza aho dia efa sendra haintany ary matetika natory noana izahay, saingy tsy dia mafy toy izao. Mankarary fo ny mahita ny zanako mosarena,” hoy izy.

Ny ankamaroan’ny mponina any atsimon’i Madagasikara dia mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana kely. Ny fitambaran’ny fotoam-piotazana tsy nahomby nifandimby, ny haintany ary ny areti-mandringana Covid-19, dia nahatonga ny vidin’ny sakafo niakatra avo telo na efatra heny tao amin’ny tsena teo an-toerana, nanery ny olona hivarotra ny biby fiompiny sy ny entany mba hividianana sakafo.

Any amin’ny faritra sasany, ny fianakaviana dia nitodika nihinana voankazo, ravina zava-maniry, votry ary valala. Olona manodidina ny 1,3 tapitrisa no tratry ny olana ara-tsakafo mahery vaika, ny 730 000 amin’izy ireo dia ankizy. Tao anatin’ny telo volana lasa, tombanana ho 14 000 ny olona tratry ny mosary; ity isa ity dia eritreretina hitombo avo roa heny amin’ny faran’ny taona 2021 raha tsy mahazo fanampiana ara-tsakafo maika izy ireo.

Nampahalala ny Firenena Mikambana fa ankizy dimanjato sy arivo izay latsaky ny dimy taona dia atahorana ho voan’ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika, satria dia manakaiky ny mosary hatrany ny firenena.

Nilaza i Soavelo fa efa lany tanteraka ny fahafaha-mitady sakafo rehetra rehefa tonga tany amin’ny vondrom-piarahamoniny ny fanampiana vonjy maika avy amin’ny SOS Villages d’Enfants Madagascar tamin’ny May 2021.

Hetsika hamaliana ny krizy

I Soavelo dia ao anatin’ireo fianakaviana 1 600 amin’ireo vondrom-piarahamonina enina voadona mafy indrindra ao amin’ny distrikan’Androy sy Atsimo-Andrefana izay hahazo tombontsoa amin’ny programa vonjy maika ataon’ny SOS Villages d’Enfants. Tokantrano sy vehivavy manan-janaka maro no kendrena amin’ity programa ity. Nahazo vary, voamadinika ary tsaramaso ireo fianakaviana nandritra ny tapa-bolana mahery, ary avy eo nanjary nirotsaka tamina tetikasa vola takalon’asa.

Dimy andro anatin’ny herinandro dia manatevin-daharana andiana lehilahy sy vehivavy i Soavelo hanamboatra làlana izay mihazo an’i Ampakabo sy Ranonda mankany Anarabe any Betioky. Mahazo 15  000 Ariary isan-kerinandro ireo mpiasa, izay mitovy amin’ny vary 20 kapoaka na mangahazo 15 kilao.

« Reny tokan-tena aho ary tsy miankina amin’olon-kafa ny fitaizako ny zanako, » hoy i Soavelo « Hatramin’ny niasako tamin’ny fanamboaran-dàlana dia tsy natory noana intsony ny zanako. Tsy manahy momba ny sakafo aho. Talohan’izay dia tena nijaly ny zanako; nilaza tamiko foana izy ireo mba hitady sakafo ho azy ireo. Nalahelo tanteraka aho ary indraindray dia nitomany mihintsy nahita azy ireo,” hoy izy.

Ilay tetikasa vola takalon’asa dia manome asa mandritra ny fotoana fohy ho an’ireo lehilahy sy vehivavy marefo tsy manana traikefa loatra na tsy manana fahaiza-manao amin’ny tetik’asa mafonja, mba hahafahan’izy ireo mameno ny filan’izy ireo maika indrindra. Ireo mpahazo tombontsoa manokana ihany dia mamantatra hetsika izay hahasoa ny vondron’olona mivelatra eo an-toerana.

Tao amin’ny toeram-panorenana, Soavelo dia nahita fotoana hamelomana indray ny fivarotany kafe sy mofo, izay ahazoany vola misimisy kokoa.

Raha tsy misy orana anefa dia tsy manana fanantenana hamerina hameno ireo tahiry sakafony ireo i Soavelo. Rehefa tapitra ny asa fanamboarana, “Mety mila mandao ny taniko aho ary mifindra any amin’izay tanàna akaiky mba hitady sakafo. Raha tsy misy ny fambolena sy ny masomboly amin’ny fotoam-pambolena manaraka, dia kely ny azo antenaina eto.”

* Novana ilay anarana mba hiarovana ny zony manokana.