“Ny famonjena aina no mila ataontsika laharam-pahamehana alohan’ny zavatra rehetra”

Jean-François Lepetit, tale nasionalin‘ny SOS Villages d‘Enfants eto Madagasikara, ary i Jean Pierre Tombozandry, talem-paritrin‘ny SOS Villages d’Enfants eto Madagasikara ao amin’ny faritr’i Androy, dia miresaka momba ny krizy ankehitriny izay miseho eto amin’ny nosy. Miparitaka any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara ny mosary izay vokatry ny haintany, ka olona an’hetsiny no tandindomin-doza, indrindra fa ny ankizy.

Firy ny olona tratry ny haintany sy ny mosary aterak’izany?

Any atsimon’i Madagasikara dia olona manodidina ny 1,3 tapitrisa no tratry ny olana ara-tsakafo, ny 730 000 amin’izy ireo dia ankizy. Nandritrin’ny telovolana farany teo dia olona miisa 14 000 no tratry ny mosary, tamin’ity telo volana ity dia tombananay ho 28 000 ny isan’ireo olona voakasika izany.

Inona avy ny fahafahana hanatsarana ny zava-misy?

Ity no haintany mafy indrindra tao anatin’ny 40 taona lasa – ary dia manampy trotraka ny areti-mandringana. Matetika iharan’ny haintany ity faritra ity, saingy tamin’ity taona ity dia olona avo roa heny no tratran’ny olana ara-tsakafo. Manantena izahay fa ny orana manaraka dia amin’ny volana Mey amin’ny taona ho avy; io no fotoana fambolena masomboly. Efa ho sivy volana sisa. Hiharatsy ny zava-misy raha tsy avy ny orana. Tsy mitsaha-mitombo ny vidin-tsakafo, ka mahatonga ny olona tsy manana fahafahana hividy izany intsony.

Azonao faritana ve ny fiatraikan’izany amin’ny ankizy?

Mampahonena ireo ankizy; tena sarotra aza ny miresaka momba izany. Tsy mampino ny hahiazan’izy ireo. Betsaka amin’izy ireo no tsy nandeha nianatra intsony. Betsaka ireo nitafy akanjo maloto tokana nandritra ny volana maro, satria tsy misy rano. Any amin’ny faritra lavitra, izay tsy ananantsika tetik’asa, dia vao mainka ratsy kokoa ny zava-misy.

Inona no ataon’ny olona mba hivelomana?

Efa amam-bolana maro izy ireo no nihinana voamadilo sy voankazo raketa. Ny ankamaroan’ny olona dia mivarotra ny fananany rehetra mba hivelomana. Ny sasany aza aleony mihinana ny masomboliny ho an’ny vanim-potoana fambolena manaraka, nefa vao mainka mahatonga ny zava-miseho ho tsizarizary hatrany. Miha-kivy ny olona. Ny sasany aza efa nanandrana namono tena; tsy te ho velona intsony izy ireo.

Inona no afaka anampian’ny SOS Villages d’Enfants?

Tao amin’ireo vondrom-piarahamonina enina tena voa mafy tany amin’ny faritra Androy sy Atsimo-Andrefana dia nanome sakafo izahay – vary, voamadinika ary tsaramaso – ho an’ny fianakaviana 1 600 tao anatin’ny tapa-bolana. Sakafo fanampiny koa ho an’ny ankizy maherin’ny 2 000, indrindra ho an’ireo latsaky ny dimy taona, sy ny vehivavy bevohoka ary ny fanampiana ara-pahasalamana amin’ny ankapobeny. Manampy ireo fianakaviana traboina ihany koa izahay amin’ny fanohanana ara-tsaina. Taorian’izay dia nandoa vola izahay ho an’ny asan’ny fiarahamonina (izany hoe ny dobo, fanarenana / fanamboaran-dàlana) amin’ireo fianakaviana ireo nandritra ny 60 andro.

Ny asanay mahazatra any an-toerana dia mifantoka amin’ny fanohanan’ny fiaraha-monina; ny olona tsy miaina samirery eto, fa miaina toy ny fiarahamonina. Manana fomba feno isika. Raha ny mahazatra dia manolotra serivisy ara-pahasalamana sy fanabeazana fototra ho an’ny ankohonana izahay. Miezaka izahay tsy hampivelatra fiankinan-doha be loatra; tsy tianay ireo olona ireo hiaina amin’ny fototry ny fangorahana. Tianay izy ireo mba hahazo ny karamany ary hirehareha amin’ny tenany. Noho izany, raha tokony hanolotra fanampin-tsakafo fotsiny isika dia andoavantsika vola izy ireo amin’ny fanaovana asa fiaraha-monina, mba hahafahan’izy ireo mividy ny sakafony manokana. Ny tanjonay ankapobeny dia ny hahatongavan’ireto ankohonana ireto hanana fahaleovan-tena ara-bola.

Saingy izao, ao anatin’izao toe-javatra sarotra izao, tsy misy fanantenana ho an’ny fizakan-tena. Miasa amin’ny fanampiana vonjy maika isika. Amin’izao fotoana izao dia ny famonjena aina no mila ataontsika laharam-pahamehana alohan’ny zavatra rehetra.

Zava-dehibe amintsika ny fanohanana ny fampandrosoana maharitra. Midika izany fa tsy mankany amin’ny faritra iray isika, mizara sakafo maimaimpoana ary miala rehefa afaka fotoana fohy. Izahay dia tsy mpisehatra amin’ny maha-olombelona fotsiny fa ao anatin’ny fiarahamonina ihany koa. Nanomboka ny asanay tany atsimon’i Madagasikara tamin’ny 2011 izahay noho ny haintany – mbola eo izahay, tsy navelanay irery ireo olona ireo. Ny mpiasa ao aminay dia olona avy amin’ny fiarahamonina miasa ho an’ny fiarahamonina. Tsy ho afaka hanadino ireo olona ireo izy ireo satria avy amin’io fiaraha-monina io ihany izy ireo.

Inona no fiantraikan’ity krizy ity eo aminao manokana?

Lepetit: Indraindray, mavesatra be ny toe-javatra. Tena goavana io olana io ary toa tsy misy mijery izany. Tsy misy rano hisasana akory, ka rano maloto no sotroin’izy ireo. Manontany tena aho hoe, ahoana no ahafahantsika mamela ny olona ao anatin’ity toe-javatra tsy mampino ity?

Tombozandry: Rehefa mivoaka ny tranoko maraina handeha ho any amin’ny birao aho dia mahita olona mipetraka, miandry izay hanome sakafo azy ireo. Indraindray, te hitomany fotsiny aho, tena mampalahelo ahy ny mahita azy ireo. Ny olona sasany dia mandao ny faritra miaraka amin’ny zanany, izy rehetra manao akanjo maloto, mitondra ny kitapony sy ny zanany. Zavatra iray ny fahitana ireo sary mampalahelo ireo amin’ny fahitalavitra. Kanefa hafa tanteraka ny fahitana an’izany rehetra izany amin’ny tena fiainana. Tsy azoko faritana akory izany.

Ahoana no fiantraikan’ny areti-mandringana COVID-19 eo amin’ny asanao?

Tena sarotra izany. Tsy miraharaha ny areti-mandringana ny olona – raha mizara arovava, mamoaka lahatsoratra momba ny fahadiovana na miresaka fanalavirana ara-tsosialy ianao dia toy ny marary saina ny fijeriny anao. Ny olona tsy manan-kohanina dia tsy miraharaha ny areti-mandringana. Sarotra ho antsika ny manazava fa ny COVID-19 dia afaka mamono ihany koa raha mieritreritra fotsiny ny fomba hahatafavoaka velona ny ankohonany amin’ity mosary ity ireo olona ireo.

I Madagasikara dia efa mizaka ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro manerantany, izany hoe ny haintany tahaka izao dia miseho matetika. Inona no tena ilaina mba hiatrehana io olana io?

Ny tranga El Niño izay manamafy an’ity haintany ity dia miseho isaky ny efa-taona. Na izany aza, ratsy kokoa noho ny mahazatra izy io; saika tsy nisy orana nandritra ny efa-taona izao. Vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro manerantany izany. Zava-dehibe ny milaza fa ireo olona monina any atsimon’i Madagasikara ireo dia tsy nandoto ny tany fa izy ireo no nizaka ny vokany. Izy ireo dia mizaka ny vokan’ny fampiasany tsy zarizary ny tontolo iainana, fa koa vokatry ny fanondranana ratsy ataon’ny olom-pirenena any amin’ny firenena indostrialy.

Heverinay fa zava-dehibe ny mitondra fanabeazana momba ny tontolo iainana ho an’ny vahoaka. Olana lehibe eto ny fandripahana ny ala: ny olona manapaka ala ho kitay ary manamboatra trano. Betsaka amin’izy ireo no tsy mahay mamaky teny sy manoratra, tsy mahalala momba ny fiovaovan’ny toetrandro. Ho fandraisana anjara amin’ny fanovana dia manana tetik’asa mahomby izahay momba ny fampandrosoana ara-tsosialy, ara-toekarena ary ara-tontolo iainana. Amin’ny alàlan’ny fiaraha-miasa amin’ny oniversite peroviana, ny tanora avy amin’ny programa SOS Villages d’Enfants ao Però dia mianatra momba ny biolojia ara-molekiola. Ny toetrandro any dia mitovy amintsika. Aorian’izay dia niverina hanampy amin’ny fanatsarana ny fambolena sy ny rafitra fambolena eto Madagasikara izy ireo.

Araka ny efa noresahinao, ny krizy amin’ny toetrandro dia tsy avy amin’ireo olona mijaly amin’izao haintany sy mosary izao, fa avy amin’ny firenena indostrialy…

Tokony ho azontsika an-tsaina fa misy fifampiankinana eo amin’ny olombelona rehetra. Misy fiantraikany amin’ny olona any amin’ny faritra hafa, toy ny atsimon’i Madagasikara, ny fomba fiainan’ny olona any amin’ny firenena indostrialy. Tsy maintsy manova ny fitondran-tenany izy ireo. Ny zavatra iainantsika eto izao dia mety hitranga any Eropa afaka zato taona. Noho izany, ny antsoinay amin’ny tontolon’ny indostrialy dia: Raiso ny andraikitra! Tohano ny fahaveloman’ny olona izay voakasik’izany ankehitriny! Mila manaja ny olona, ny biby ary ny Tany isika!

Ao amin’ny SOS Villages d’Enfants, izahay dia maniry ny ankizy marefo indrindra mba hanana fiainana tsara sy maharitra. Ahoana no ahatanterahana an’io, raha ny aina mihitsy no ho faty? Mila manova ny fomba fiainantsika isika – any atsimon’i Madagasikara sy amin’ny toerana hafa rehetra. Mila miara-mijoro isika, satria ny firaisankina dia midika fananana rohy matanjaka. Ilaina indrindra ireo mihoatra noho ny hatramin’izay.