
TOLOTR'ASA EO AN-TOERANA
Ny SOS Villages d’Enfants dia Fikambanana ekena ara-panjakana izay niasa teto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 1989 mba ahafahan’ny ankizy, tanora ary fianakaviana sahirana misitraka ny zony. Ny SOS Villages d’Enfants dia miasa amin’ny faritra 7 eto Madagasikara (Boeny, Analamanga, Atsinanana, Vakinakaratra, Atsimo-Andrefana, Androy, Anosy), mahatratra 50.000 mahery isan-taona ny ankizy, tanora ary fianakaviana misitraka ny tolotra omeny.
LEHILAHY MPANADIO NA LEHILAHY MPIKARAKARA
Faharetan’ny fifanarahana : Hatramin’ny 31 Desambra 2025
Fanondroana : HE -8531 – 01/2025
Toerana hiasana : Ivohitra Antsirabe miorina amin’ny sekoly
Ny andraikitra :
Eo ambanin’ny andraikitry ny CES sy RUP, ny lehilahy mpanadio dia manana andraikitra toy ireto manaraka ireto :
- Miantoka ny fahadiovan’ny toerana manontolo ao amin’ny ivon-toerana;
- Miantoka ny fikarakarana sy fanamboarana ny fananan’ny ivon-toerana rehetra (zavatra fanaka sy fotodrafitr’asa) sy
- Miantoka ny asa rehetra ilaina ho an’ny tontolo iainana salama sy azo antoka
Ny sahan’asa :
- Fahadiovan’ny toerana manontolo/ny saha
– Efitrano fianarana sy ireo trano/fotodrafitr’asa hafa ampiasain’ny mpianatra (miara-miasa amin’ny mpampianatra tompon’andraikitra sy ny mpianatra mandritra ny andro fianarana)
– Birao sy ireo fotodrafitr’asa hafa ampiasain’ny mpiasa
– Ireo ivelan’ny efitrano fianarana sy birao : tokotany, lalantsara, lalana… - Fikarakarana sy fanamboarana
– Fikarakarana sy fanamboarana ny fanaka, ny fitaovana, ary ny fotodrafitr’asa
– Fikarakarana sy fanamboarana ny rafitra herinaratra, ny rafitra fantsona, ary ny asa vita amin’ny vato
– Fikojakojana zaridaina sy asa hafa mety hahatonga ny tontolo iainana ho salama sy azo antoka - Fanarahana, fangatahana, sy vaovao
– Miantoka ny fanisana ny fananana ao amin’ny ivon-toerana
– Manolotra amin’ny tompon’andraikitra ny filàna vokatra, fitaovana, fitaovam-piasana, sy kojakoja ilaina amin’ny fikarakarana, fanamboarana, ary fanadiovana
– Manolotra amin’ny tompon’andraikitra ny filàna fanamboarana na fikarakarana izay mitaky fandraisana anjaran’ny mpanome serivisy hafa
– Manao fanarahana sy mandefa vaovao momba ny fanana sy fotodrafitr’asa ao amin’ny ivon-toerana (toetry ny fananana, fahavitan-javatra, fiovana toerana, fiovan’ny tompon’ny fananana, fiovan’ny toerana…)
Ny toetra takiana :
- Manana diplaoma BEPC farafahakeliny
- Manana traikefa 2 taona raha kely indrindra sy/na nahavita fiofanana matihanina amin’ny fantsona, herinaratra, ary fikojakojana zaridaina
- Mahafantatra ny fitaovana fanadiovana, fikarakarana ary fikojakojana zaridaina
- Mahay manao asa maro, manana fahatsapana ny antsipiriany, matotra tsara ary mahay mandamina asa
- Fahaizana miasa irery
- Mahay miatrika fahasahiranana ary manana hery ara-batana
Ireo taratasy ilaina:
- CV sy sary vaovao,
- Taratasy milaza ny fahavononanao sy ny antony nisafidiananao ny asa miaraka amin’ny mari-karama ilainao, (d’une lettre de motivation et prétentions salariales),
- Dika mitovy ary voamarina ny mari-pahaizana, (des copies légalisées des diplômes)
- Taratasy fanamarinana ny asa efa nataonao talohan’ny nidiranao tato amin’ny Fikambanana raha toa ka efa nisy iazany. sy ny laharana finday ahafahana miantso anao maika. ( des attestations des précédents emplois et d’un numéro de téléphone pour contact rapide),
- Kara-mpanondro(Copie CIN)
Politika momban’ny fandraisana mpiasa:
Ny SOS Villages d’Enfants dia mampihatra fitsipika hentitra amin’ny fiarovana ny ankizy ary politika tsy fandeferana amin’ny fihetsika fanaovana haran’ny fanararaotana, fanodinkodinam-bola, ary fanararaotana ara-nofo amin’ny toeram-piasana sy amin’ny toerana hafa izay atao ny asa ao amin’ny fikambanana.
Ao anatin’ny fanatanterahana ny asany, ny Fikambanana dia nametraka politika ara-panjakana izay tsy maintsy anoratana avokoa ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka aminy rehefa mandray anjara amin’ny SOS Villages d’Enfants :
- Politika fiarovana ny ankizy
- Ny fepetra fandavana amin’ny tsena voafandrika amin’ny SOS Villages d’Enfants
- Politika manohitra ny hosoka sy ny kolikoly
- Ny soatoavina, ny etika ary ny fitsipika momba ny tsiambaratelo amin’ny asa
Politika momba ny fanararaotana ara-nofo : Fisorohana sy fiarovana amin’ny fanararaotana, fanodinkodinam-bola ary fanararaotana ara-nofo (PHEAS)
Afaka mijery ny fepetra sy ny teny manan-danja ianao amin’ny alalan’ny rohy : TDR HE 8531 – 022025 malagasy
Ireo tolotra ireo dia arahinao ao amin’ny tambazotran-tseraseran’ny fikambanana : https://vesosmad.org/emploi/
Koa raha mahaliana anao ireo tolotr’asa ireo dia alefaso amin’izao adiresy manaraka izao : recrutement.rh@vesosmad.org, ireo antotan-taratasy voalaza etsy ambony ireo.
Ny fara-fandraisana ny antotan-taratasy dia ny Talata faha – 11 Febroary 2025 izao. (TOLOTR’ASA EO AN-TOERANA)
Marihana fa izay fangatahana voafantina ihany no ho voaantso.