FAMPAHATSIAHIVANA TOLOTR’ASA EO AN-TOERANA – LEHILAHY MPANADIO NA LEHILAHY MPIKARAKARA

TOLOTR'ASA EO AN-TOERANA FAMPAHATSIAHIVANA

Ny SOS Villages d’Enfants dia Fikambanana ekena ara-panjakana izay niasa teto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 1989 mba ahafahan’ny ankizy, tanora ary fianakaviana sahirana misitraka ny zony. Ny SOS Villages d’Enfants dia miasa amin’ny faritra 7 eto Madagasikara (Boeny, Analamanga, Atsinanana, Vakinakaratra, Atsimo-Andrefana, Androy, Anosy), mahatratra 50.000 mahery isan-taona ny ankizy, tanora ary fianakaviana misitraka ny tolotra omeny.

 

LEHILAHY MPIKARAKARA NA LEHILAHY MPIKARAKARA

Faharetan’ny fifanarahana: Hatramin’ny 31 Desambra 2025

Fanondroana : HE – 8531 – 03/2025

Toerana hiasana : Ivohitra ao Antsirabe, miaraka amin’ny fiasana any amin’ny toerana hafa ao amin’ny fikambanana

Ny andraikitra : 

Eo ambanin’ny andraikitry ny CES sy RUP, ny lehilahy mpanadio dia manana andraikitra toy ireto manaraka ireto :

  • Miantoka ny fahadiovan’ny toerana manontolo ao amin’ny ivon-toerana;
  • Miantoka ny fikarakarana sy fanamboarana ny fananan’ny ivon-toerana rehetra (zavatra fanaka sy fotodrafitr’asa) sy
  • Miantoka ny asa rehetra ilaina ho an’ny tontolo iainana salama sy azo antoka
Ny sahan’asa :
  • Fahadiovan’ny toerana manontolo/ny saha

-Efitrano fianarana sy ireo trano/fotodrafitr’asa hafa ampiasain’ny mpianatra (miara-miasa amin’ny mpampianatra tompon’andraikitra sy ny mpianatra mandritra ny andro fianarana)

-Birao sy ireo fotodrafitr’asa hafa ampiasain’ny mpiasa

-Ireo ivelan’ny efitrano fianarana sy birao : tokotany, lalantsara, lalana…

  • Fikarakarana sy fanamboarana

-Fikarakarana sy fanamboarana ny fanaka, ny fitaovana, ary ny fotodrafitr’asa

-Fikarakarana sy fanamboarana ny rafitra herinaratra, ny rafitra fantsona, ary ny asa vita amin’ny vato

-Fikojakojana zaridaina sy asa hafa mety hahatonga ny tontolo iainana ho salama sy azo antoka

  • Fanarahana, fangatahana, sy vaovao

-Miantoka ny fanisana ny fananana ao amin’ny ivon-toerana

-Manolotra amin’ny tompon’andraikitra ny filàna vokatra, fitaovana, fitaovam-piasana, sy kojakoja ilaina amin’ny fikarakarana, fanamboarana, ary fanadiovana

-Manolotra amin’ny tompon’andraikitra ny filàna fanamboarana na fikarakarana izay mitaky fandraisana anjaran’ny mpanome serivisy hafa

-Manao fanarahana sy mandefa vaovao momba ny fanana sy fotodrafitr’asa ao amin’ny ivon-toerana (toetry ny fananana, fahavitan-javatra, fiovana toerana, fiovan’ny tompon’ny fananana, fiovan’ny toerana…)

Ny toetra takiana:
  • Manana diplaoma BEPC farafahakeliny
  • Manana traikefa 2 taona raha kely indrindra sy/na nahavita fiofanana matihanina amin’ny fantsona, herinaratra, ary fikojakojana zaridaina
  • Mahafantatra ny fitaovana fanadiovana, fikarakarana ary fikojakojana zaridaina
  • Mahay manao asa maro, manana fahatsapana ny antsipiriany, matotra tsara ary mahay mandamina asa
  • Fahaizana miasa irery
  • Mahay miatrika fahasahiranana ary manana hery ara-batana
Ireo taratasy ilaina:
  • CV sy sary vaovao,
  • Taratasy milaza ny fahavononanao sy ny antony nisafidiananao ny asa miaraka amin’ny mari-karama ilainao, (d’une lettre de motivation et prétentions salariales),
  • Dika mitovy ary voamarina ny mari-pahaizana, (des copies légalisées des diplômes)
  • Taratasy fanamarinana ny asa efa nataonao talohan’ny nidiranao tato amin’ny Fikambanana raha toa ka efa nisy iazany. sy ny laharana finday ahafahana miantso anao maika. ( des attestations des précédents emplois et d’un numéro de téléphone pour contact rapide),
  • Kara-mpanondro(Copie CIN)
  •  
Politika momban’ny fandraisana mpiasa:

Ny SOS Villages d’Enfants dia mampihatra fitsipika hentitra amin’ny fiarovana ny ankizy ary politika tsy fandeferana amin’ny fihetsika fanaovana haran’ny fanararaotana, fanodinkodinam-bola, ary fanararaotana ara-nofo amin’ny toeram-piasana sy amin’ny toerana hafa izay atao ny asa ao amin’ny fikambanana.

Ao anatin’ny fanatanterahana ny asany, ny Fikambanana dia nametraka politika ara-panjakana izay tsy maintsy anoratana avokoa ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka aminy rehefa mandray anjara amin’ny SOS Villages d’Enfants :

  • Politika fiarovana ny ankizy
  • Ny fepetra fandavana amin’ny tsena voafandrika amin’ny SOS Villages d’Enfants
  • Politika manohitra ny hosoka sy ny kolikoly
  • Ny soatoavina, ny etika ary ny fitsipika momba ny tsiambaratelo amin’ny asa
  • Politika momba ny fanararaotana ara-nofo : Fisorohana sy fiarovana amin’ny fanararaotana, fanodinkodinam-bola ary fanararaotana ara-nofo (PHEAS)

Ireo tolotra ireo dia arahinao ao amin’ny tambazotran-tseraseran’ny fikambanana : https://vesosmad.org/emploi/ 

Koa raha mahaliana anao ireo tolotr’asa ireo dia alefaso amin’izao adiresy manaraka izao : recrutement.rh@vesosmad.org, ireo antotan-taratasy voalaza etsy ambony ireo.

Ny fara-fandraisana ny antotan-taratasy dia ny Talata faha –  26 Martsa 2025 izao. (TOLOTR’ASA EO AN-TOERANA)

Marihana fa izay fangatahana voafantina ihany no ho voaantso.