
TOLOTR'ASA EO AN-TOERANA
Ny SOS Villages d’Enfants Madagascar dia fikambanana iray ekena amin’ny maha-tombontsoa iombonana azy, ary efa miasa eto amin’ny firenena nanomboka tamin’ny taona 1989. Miasa izy mba hahafahan’ny ankizy rehetra very na atahorana ho very fikarakarana avy amin’ny ray aman-dreny, mitombo ao anatin’ny fianakaviana feno fitiavana sy fiarovana. Anisan’ireo andraikitra fototra sahanin’ny fikambanana ny fanamafisana ny fianakaviana, ny fanomezan-toerana fikarakarana manoloana ny ray aman-dreny, ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fanofanana arak’asa, ary ny fanampiana amin’ny fidirana amin’ny fiainana ara-tsosialy sy arak’asa ho an’ny tanora.
Entanin’ny soatoavina toy ny herim-po, fandraisana andraikitra, fahatokisana ary andraikitra, dia miasa amin’ny faritra maro manerana an’i Madagasikara ny fikambanana, indrindra any Analamanga, Atsinanana, Vakinankaratra, Atsimo-Andrefana, Anosy, Androy ary Boeny. Amin’ny alalan’ny fandaharanasany, dia manohana ankizy, tanora ary fianakaviana maherin’ny 50 000 isan-taona ny SOS Villages d’Enfants Madagascar, amin’ny fanomezana tolotra fototra ilaina amin’ny fiainana sy ny fivoaran’izy ireo. Amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ny Federasiona Iraisam-pirenena SOS Villages d’Enfants, dia mandray anjara mavitrika amin’ny fiainan’ny fikambanana i SOS Villages d’Enfants Madagascar, indrindra amin’ny alalan’ny hetsika stratejika amin’ny sehatry ny fanehoan-kevitra (plaidoyer). Miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ihany koa izahay amin’ny maha-fikambanana misahana ny maha-olona anay, mba hamaliana haingana ny filàna fototra maha-olona amin’ny ankizy sy fianakaviana tra-boina amin’ny krizy (toy ny loza voajanahary sy ny sisa).
MPANENTANA AMIN’NY FAMPANDROSOANA ARA-TSOSIALY (ANIMATEUR EN DEVELOPPEMENT SOCIAL (ADS)
Faharetan’ny fifanarahana : Fifanarahana amin’ny fotoana voafaritra 5 volana (CDD 5mois)
Fanondroana : ADS – EMA – 092025 raha Ekonka Maromainty no toerana tianao hiasana
ADS – TB – 092025 raha Tanambao Bekily no toerana tianao hiasana
ADS – TD – 092025 raha Tanandava Tsihombe no toerana tianao hiasana
ADS – SM – 092025 raha Sakamasy no toerana tianao hiasana
Toerana iasana: 01 Ekonka Maromainty Ambovombe- 01Tanambao Bekily-01Tanandava Tsihombe-01 Sakamasy Tsihombe- Faritra Androy
1- Asa sy Andraikitra :
• Fandrindrana sy fanatanterahana fihaonana amin’ny mpahazo tombotsoa :
– Mandrindra sy manatanteraka ireo karazana fivoriana rehetra mifandraika amin’ny sehatra iasan’ny SOS Villages d’Enfants : fiarovana amin’ny herisetra, ny zon’ny ankizy ary ny zon’olombelona , fahasalamana , fampianarana ary sehatra ara-pivelomana
– Manomana sy manatanteraka ny « école des parents »
– Mitarika sy manatanteraka miaraka amin’ny mpiara-misa ny famangiana isan-tokantrano ny mpahazo tombotsoa (visite à domicile)
– Manomana ny mandray an-tanana ny hetsika rehetra mahakasika ny tetik’asa
• Fanantaterahana ny asa :
– Manentana ny mpahazo tombotsoa amin’ny fiarovana amin’ny herisetra sy zon’ny olombelona , sy ny fikambanam-behivavy sy ny tanora .
– Manatanteraka fivoriana miaraka amin’ny « Cellulle d’Ecoute et de Veille (CEV)» isam-bolana
– Manomana sy mandray an-tanana ny hetsika rehetra mahakasika ny asa eo anivon’ny toerana izay iandraiketany
– Manome tantsoroka hoan’ireo fivondronan’ny tantsaha, ny fikambanam-behivavy ary ny tanora amin’ireo asa izay tanterahin’izy ireo
– Manara-maso ny fandrosoan’ireo asa mahakasika ny asa-fivelomana izay tanterahin’ny mpahazo tombotsoa .
• Firaketana ireo antontan-kevitra ny mpahazo tombotsoa :
– Manatanteraka ny fanadihadiana eo anivon’ny mpahazo tombotsoa
– Mirakitra an-tsoratra ireo antontan-kevitra rehetra vokatry ny fanadihadiana
– Manavao ireo tahirin-kevitra sy drafitra fampandrosoana hoan’ny mpahazo tombotsoa
• Fananterahana ireo tatitra :
– Manatanteraka ireo tatitrin’ny asa vita isam-bolana ary manome izany eo amin’ny tompon’andraikitrin’ny ivon-toerana araka ny fotoana voafetra hanaovana izany isam-bolana
– Mandrafitra ireo porofon’ireo asa vita isaky ny asa tsirairay avy ary manome izany ny tompon’andraikitrin’ny ivon-toerana iasany.
2- Mombamomba ny mpifaninana :
– Manana diplaoma Baccalauréat farafahakeliny na ny mitovy lenta aminy
– Lehilahy na vehivavy, vonona hiasa sy mipetraka eny ambanivohitra amin’ny ivon-toerana misy ny SOS Villages d’Enfants
– Manana traik’efa sy fahaiza-manao amin’ny sehatra fanentanana, fitantanana fikambanana
– Tsara raha manana traik’efa amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy sy ny ady amin’ny herisetra
– Mahay mandrafitra ny tatitra ny asa vita am-bava sy an-tsoratra
– Mahafehy tsara ny fiteny Antandroy
3- Ireo taratasy ilaina :
– CV sy sary vaovao,
– Taratasy milaza ny fahavononanao sy ny antony nisafidiananao ny asa miaraka amin’ny mari-karama ilainao, (d’une lettre de motivation et prétentions salariales),
– Dika mitovy ary voamarina ny mari-pahaizana, (des copies légalisées des diplômes)
– Taratasy fanamarinana ny asa efa nataonao talohan’ny nidiranao tato amin’ny Fikambanana raha toa ka efa nisy iazany. sy ny laharana finday ahafahana miantso anao maika. ( des attestations des précédents emplois et d’un numéro de téléphone pour contact rapide),
– Kara-mpanondro(Copie CIN)
Politika momban’ny fandraisana mpiasa :
Ny SOS Villages d’Enfants dia mampihatra fitsipika hentitra amin’ny fiarovana ny ankizy ary politika tsy fandeferana amin’ny fihetsika fanaovana haran’ny fanararaotana, fanodinkodinam-bola, ary fanararaotana ara-nofo amin’ny toeram-piasana sy amin’ny toerana hafa izay atao ny asa ao amin’ny fikambanana.
Ao anatin’ny fanatanterahana ny asany, ny Fikambanana dia nametraka politika ara-panjakana izay tsy maintsy anoratana avokoa ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka aminy rehefa mandray anjara amin’ny SOS Villages d’Enfants :
- Politika fiarovana ny ankizy
- Ny fepetra fandavana amin’ny tsena voafandrika amin’ny SOS Villages d’Enfants
- Politika manohitra ny hosoka sy ny kolikoly
- Ny soatoavina, ny etika ary ny fitsipika momba ny tsiambaratelo amin’ny asa
- Politika momba ny fanararaotana ara-nofo : Fisorohana sy fiarovana amin’ny fanararaotana, fanodinkodinam-bola ary fanararaotana ara-nofo (PHEAS)
Afaka mijery ny fepetra sy ny teny manan-danja ianao amin’ny alalan’ny rohy : TDR Animateur en Developpement Social.pdf
Ireo tolotra ireo dia arahinao ao amin’ny tambazotran-tseraseran’ny fikambanana : https://vesosmad.org/emploi/
Koa raha mahaliana anao ireo tolotr’asa ireo dia alefaso amin’izao adiresy manaraka izao : recrutement.rh@vesosmad.org, ireo antotan-taratasy voalaza etsy ambony ireo.
Ny fara-fandraisana ny antotan-taratasy dia ny 25 Septambra 2025 izao.
Marihana fa izay fangatahana voafantina ihany no ho voaantso.