
Ny SOS Villages d’Enfants dia Fikambanana ekena ara-panjakana izay niasa teto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 1989 mba ahafahan’ny ankizy, tanora ary fianakaviana sahirana misitraka ny zony. Ny SOS Villages d’Enfants dia miasa amin’ny faritra 8 eto Madagasikara, mahatratra 50.000 mahery isan-taona ny ankizy, tanora ary fianakaviana misitraka ny tolotra omeny.
TANTE – MAITRESSE DE MAISON / MPIARA-MIASA AMIN’NY RENY MPITAIZA
Contrat : Formation 6 Mois
Référence du poste : Tante/Maitresse de Maison
Poste basé à : Antananarivo
Famaritana ny Asa :
Mpanabe mpanampy ny Mère SOS, misahana trano 2 izay misy zaza 20. Tompon’andraikitra amin’ny fianarany ankizy ary mipetraka ho modely.
Famaritana ny Asa :
NY « Tante SOS » dia manana andraikitra miara-miasa sy manampy ny « mère SOS » amin’ny fanabeazana ny zaza mba hahatonga ilay tokantrano maha-tehonina.
Ny sahan’asa :
- Eo anivon’ny Tokantrano :
– Mifampizara amin’ny Reny ny asa atao ao antrano.
– Manoro sy manaraka ny zaza amin’ny andraikitra izay sahaniny. - Eo maha- zoky, Ray aman-dReny : Miahy ny zaza amin’ny fiarovana azy, amin’ny fitoniana sy filaminana, amin’ny fanomezana fitiavana azy.
– Mandamina raha misy fifandirana, mamaha olana.
– Miantoka ny andraikitra maha olon-dehibe, to teny amin’ny fametrahana ny fitsipi-pifehezana ao amin’ny tokatrano sahaniny. - Fitantanana :
– Miara-mandrindra sy mandamina amin’ny Reny ny fandaniana ao an-trano.
– Miantoka ny firaketana an-tsoratra ny fandaniana eo anivon’ny tokan-trano.
– Manaraka isanandro ny Kahiem-pandaniana.
– Mitahiry ny taratasy fanamarinana ny fandaniana aorianan’ny fiatsenana. - Eo amin’ny Fanabeazana sy fiaraha-miasa : miantoka ny fanaraha-maso ny fianaran’ny zaza sy ny fanampiana azy manokana.
- Fiarovana ny zon’ny ankizy : ny « Tante SOS» dia tsy maintsy mampihatra ny fitsipika ho amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy
Ny toetra takiana :
25 taona mihoatra, matotra, tsy manana aretina mitaiza ary salama ara-tsaina
Bacc +, tombony ny mari-pahaizana amin’ny ambaratonga ambony,
Tsy manambady, tsy manan-janaka, anefa afaka hanana fianan-tokatrano TELO taona aorian’ny fifanarahana arak’asa atao amin’ny fikambanana
Manana traikefa amin’ny fitaizana zaza na mahakasika ny zaza sy ny adolantsento
Vonona hiatrika fiofanana aorianan’ny fifantenana ;
Vonona hantanteraka vina eo amin’ny fanampiana maharitra ny zaza kamboty sy ny zaza ao antin’ny fahoriana tanteraka.
Ireo Taratasy Ilaina :
CV sy sary vaovao,
Taratasy milaza ny fahavononanao sy ny antony nisafidiananao ny asa miaraka amin’ny mari-karama ilainao, (d’une lettre de motivation et prétentions salariales),
Dika mitovy ary voamarina ny mari-pahaizana, (des copies légalisées des diplômes)
Taratasy fanamarinana ny asa efa nataonao talohan’ny nidiranao tato amin’ny Fikambanana raha toa ka efa nisy iazany. sy ny laharana finday ahafahana miantso anao maika. ( des attestations des précédents emplois et d’un numéro de téléphone pour contact rapide),
Politika momban’ny fandraisana mpiasa :
Ny Fikambanana dia mampihatra ny fitsipika momba ny fitondran-tena tsara indrindra sy matihanina amin’ny mpiasa sy mpiara-miombon’antoka rehetra eo amin’ny sehatry ny fanatanterahana ny asany:
- Politika momba ny fiarovana ny ankizy ( La politique de protection de l’enfant )
- Fepetra hanilihana amin’ny fifanarahana vatsian’ny SOS Children’s Villages (Les critères d’exclusion aux marchés financés par SOS Villages d’Enfants)
- Politika miady amin’ny hosoka sy ny kolikoly (La politique d’anti-fraude et corruption)
- Soatoavina, etika ary ny fitsipiky ny tsiambaratelo momba ny asa (Les valeurs, éthique et le principe de confidentialité professionnelle)
- Ny Politika momba ny fitondran-tena ratsy: Fisorohana sy fiarovana amin’ny fanorisorenana, fanararaotana ary fanararaotana ara-nofo (PSEA) (Le règlement sur l’inconduite sexuelle : Prévention et protection contre le harcèlement, l’exploitation et les abus sexuels (PEAS)
Koa raha mahaliana anao ireo tolotr’asa ireo dia alefaso amin’izao adiresy manaraka izao : recrutement.rh@vesosmad.org, ireo antotan-taratasy voalaza etsy ambony ireo
Ny fara-fandraisana ny antotan-taratasy dia ny Alatsinainy faha-15 Aogositra 2022 izao.
Marihana fa izay fangatahana voafantina ihany no ho voaantso.