
Ny SOS Villages d’Enfants dia Fikambanana ekena ara-panjakana izay niasa teto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 1989 mba ahafahan’ny ankizy, tanora ary fianakaviana sahirana misitraka ny zony. Ny SOS Villages d’Enfants dia miasa amin’ny faritra 8 eto Madagasikara, mahatratra 50.000 mahery isan-taona ny ankizy, tanora ary fianakaviana misitraka ny tolotra omeny.
MERES SOS – ASSISTANTES FAMILIALES NA RENY MPITAIZA
Contrat : Formation 6 Mois
Référence du poste : Mères-Assistantes-familiales-Reny SOS
Poste basé à : Antananarivo
Famaritana ny Asa :
Ny Reny SOS no loham-pianakaviana, tompon’andrikitra voalohany amin’ny fanabezana sy fivelaran’ny zaza izay nankinina aminy.
Ny Andraikitra :
Ny Reny SOS dia tompon’andraikitra amin’ny famoronana fianakaviana maha-tehonina, milamina, ahafahan’ny ankizy mivoatra sy mivelatra ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy.
Ny sahan’asa :
dia mifototra amin’ireto teboka 4 manaraka reto.
- Asa Fototra :
– mitondra mari-pitiavana, ara-batana sy ara-piaraha-monina amin’ny zaza
– Manao andrimaso ny fahasalaman’ny zaza
– Mandamina ny fitsipi-pitondran-tena iraisana.
– Mikolokolo ny fifandraisana maharitra eo amin’ny zaza sy ny fianakaviany ao anatin’ny politika-panabeazan’ny fikambanana.
– Manampy ny ankizy hanana fifandraisana maharitra amin’ny fiaraha-monina. - Asa Fanabeazana :
– Manampy ny ankizy amin’ny an-davanandrony.
– Miara-miasa amin’ny mpiara-miasa rehetra ao anatin’ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny vina manokana isan-jaza. - Fitantanana :
Ny Reny dia mifehy ny fitatanam-bola ary manatanteraka izany ao antanin’ny rafitra efa napetraka ato anatin’ny fikambanana . - Asa ao antokatrano :
– Miantoka ny fividianan’entana samihaha.
– Miantoka ny filaminana sy fahadiovan’ny trano sy ny manodidina azy.
– Miantoka sy manara-maso ny trano mba ho azo iainana tsara.
Ny toetra takiana :
35 Taona mihoatra, matotra, tsy manana aretina mitaiza ary salama ara-tsaina
Nahavita kilasy faha-3 farafahakeliny
Tsy manambady, tsy mananjanaka ahiana intsony
Tompon’andraikitra, mavitrika, mahavita-tena.
Manana traikefa manokana amin’ny fitaizana zaza sy ny adolantsento.
Vonona hiatrika fiofanana aorianan’ny fifantenana.
Vonona hantanteraka vina eo amin’ny fanampiana maharitra ny zaza kamboty sy ny zaza ao antin’ny fahoriana tanteraka.
Ireo Taratasy Ilaina : :
- CV sy sary vaovao,
- Taratasy milaza ny fahavononanao sy ny antony nisafidiananao ny asa miaraka amin’ny mari-karama ilainao, (d’une lettre de motivation et prétentions salariales),
- Dika mitovy ary voamarina ny mari-pahaizana, (des copies légalisées des diplômes)
- Taratasy fanamarinana ny asa efa nataonao talohan’ny nidiranao tato amin’ny Fikambanana raha toa ka efa nisy iazany. sy ny laharana finday ahafahana miantso anao maika. ( des attestations des précédents emplois et d’un numéro de téléphone pour contact rapide),
Politika momban’ny fandraisana mpiasa :
Ny Fikambanana dia mampihatra ny fitsipika momba ny fitondran-tena tsara indrindra sy matihanina amin’ny mpiasa sy mpiara-miombon’antoka rehetra eo amin’ny sehatry ny fanatanterahana ny asany:
- Politika momba ny fiarovana ny ankizy ( La politique de protection de l’enfant )
- Fepetra hanilihana amin’ny fifanarahana vatsian’ny SOS Children’s Villages (Les critères d’exclusion aux marchés financés par SOS Villages d’Enfants)
- Politika miady amin’ny hosoka sy ny kolikoly (La politique d’anti-fraude et corruption)
- Soatoavina, etika ary ny fitsipiky ny tsiambaratelo momba ny asa (Les valeurs, éthique et le principe de confidentialité professionnelle)
- Ny Politika momba ny fitondran-tena ratsy: Fisorohana sy fiarovana amin’ny fanorisorenana, fanararaotana ary fanararaotana ara-nofo (PSEA) (Le règlement sur l’inconduite sexuelle : Prévention et protection contre le harcèlement, l’exploitation et les abus sexuels (PEAS)
Koa raha mahaliana anao ireo tolotr’asa ireo dia alefaso amin’izao adiresy manaraka izao : recrutement.rh@vesosmad.org, ireo antotan-taratasy voalaza etsy ambony ireo
Ny fara-fandraisana ny antotan-taratasy dia ny Alatsinainy faha-15 Aogositra 2022 izao.
Marihana fa izay fangatahana voafantina ihany no ho voaantso.